1 Haleloia. Mider an'i Jehovah, ry any an-danitra; Mider Azy any ambony.

2 Mider Azy, ry anjeliny rehetra; Mider Azy, ry miaramilany rehetra.

3 Mider Azy, ry masoandro amam-bolana; Mider Azy, ry kintana mazava rehetra.

4 Mider Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.

5 Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.

6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalna ireo ka tsy mba mihoatra.

7 Midera an'i Jehovah et? an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,

8 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankat ny teniny,

9 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,

10 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

11 Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,

12 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,

13 Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.

14 Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
